English

In here are stored all Englsih articles that you can find using in that web blog.

Malagasy

Alahady 6 Jolay 2009
Madagasikara tao aorian’ny fanjanahana

Ny fanjanahan-tany nataon’ireo frantsay moa no tena nampisy ny fiovana goavana teto Madagasikara.
Tao aorian’ny volana Aogositra 1895, nanambarana am-pomba ofisialy ny maha zanatany frantsay antsika dia tsy nanao afa tsy ny manapotika ny firenena ireo frantsay.
Teo amin’ny lafiny teti-pitondrana dia nosoloiny avokoa ireo andrim-panjakana rehetra: ny Mpanjaka nosoloina ho Governora frantsay tsy maintsy Jeneraly, sns,…
Teo amin’ny lafiny ara-toe-karena dia nahenany ny fambolena ireo vokatra ilain’ny malagasy toy ny vary,ny mangahazo,… ary nampitomboina be kosa ny fambolena ireo voly fanondrana: lavanila, kafe, jirofo,…
Teo amin ‘ny lafiny kolontsaina dia nosimbainy satria novainy ho 14 jolay ny fety fankalaza isan-taona raha toa ka ny Fandroana no natao asaramanitra taloha.
Teo amin’ny varotra kosa dia lasa tsenam-bola no hita eny rehetra eny fa tsy ilay takalo intsony ary ny vola ankehitriny no `manjaka raha toa ka taloha dia natao fanomezana ihany ireny fa tsy hividianan-javatra: ny vakivakim-bola
Efa nanana ny sainantsika ihany koa isika nandritra ny vanim-potoana faha-mpanjaka: Tokotany mena midorehitra misoratra ranom-bolamena
Soratra: satrok’andriana eo anelanelana lefona roa ary eny amin’ny fototry ny lefona no ahitana ny soratra hoe ‘R sy M’.
Niavaka ihany koa ny fiaraha-monina satria
-tamin’ny andron’Andriamasinavalona dia ny ‘zarazarao anjakana‘ no foto-pisainana.
-nanomboka teo amin’Andrianampoinimerina dia tokana ny fanjakana teto satria ‘ny ranomasina no valam-parihy’ ary nony tonga ny mpanjanaka dia niverinan tamin’ilay hoe zarazarao anjakana indray.

Hitantsika amin’izao fa na dia firenena iray ihany ary Madagsikara ia betsaka ny fahasamihafana hita na avy ao anaty na avy any ivelany.

Alahady 05, jolay 2009
NY RANOVOLA, TENA MALAGASY
Firy firy amin’ireo mpizahan-tany tonga eto ny tsy manaiky raha tsy misotro ilay rano tena maneho ny Malagasy ny malagasy? Ny ranovola na ranon’ampango dia anisanireo sakafo tena malagasy tokoa ary tsy foin’ireo malagasy amin’ny tsirony miavaka sy tsara.

Dorana ny vary ary avy eo loharana.Asiana rano anatin’ny vilany mbola tsy nalana ny vary amin’ny sisiny ary haverina am-patana. Andrasana hangotraka ny vary ary manome loko toy ny vola (iraimbilanja) ireny.
rehefa avy eo dia alaina ny ranony ary ilay vary tafaraka aminy iny no antsoina hoe ampango.

     Toy izao izy rehefa vita tanteraka! Mazotoa homana misotro e!

Toy izao izy rehefa vita tanteraka! Mazotoa homana misotro e!

Amin’ny maha firenena mahantra an’i Madagasikara dia mbola tsy manana ran fisotro madio izy. Raha te hisoroka ireo aretina maro samihafa ateraky ny loto toy ny aretin-kibo, cholera,… dia mila mividy irony rano efa voahodina irony anaty tavoahangy ny olona, izay miteraka fandaniana ambony indray. Ny ranovola noho izany dia vaha olana iray ahafahana miady amin’ny fandaniana sy ny aretina satria mitsitsy tokoa ny fanaovana azy.

Tsara, madio, tsy misy otrik'aretina nefa mitsitsy. Izany ka Malagasy!

Tsara, madio, tsy misy otrik'aretina nefa mitsitsy. Izany ka Malagasy!

Ny antenaina dia ny ahafahan’i Madagasikara mitrandraka harena sahala itony entina mampiroborobo ny toe-kareny sy ny kolontsainy a ho izy no hatao fitaratra sy ho alain-tahaka fa tsy ho koloina saina.

‘Aza miovoka ambony toy ny ranovolan’i Tsiodiana.’ Aleo tsy maika miala na miraviravin-tanana fa miandry hatramin’ny farany

Alakamisy 09 Aprily 2009
Mailaka voaray avy tamin’ny namana :
Maro indray no ilaza fa lainga sy tsaho ity fa de “source” sûr dia izao no zava-niseho tamin’I R8 ny 17 mars iny.

Selon les indiscretions, les CAPSAT ont gravi le flan ouest de la colline, au nombre de 200, peu importe, ny vahoaka tety amin’ny entrée tsy nahita.

Ils ont négocié leur entrée avec les gardes présidentielles (GP) qui n’ont pas eu de résistance.

En tout cas, ils se sont introduits au Palais et la suite racontée dans le discours SADC du Président…seulement il a été convenu entre CAPSAT et GP que le CAPSAT laisse libre le Président une fois la déclaration signée.

Or, la déclaration signée, les CAPSAT ont voulu emmener le Président de force selon les « ordres » qu’ils ont reçus.

Les quelques GP « fidèles » ont réagi et des tirs nourris s’ensuivent des deux côtés.

50 GP ont été tués, il paraît q’une vingtaine du côté du CAPSAT …. Le spectacle a été désolant, le Palais était un véritable un bain de sang.

Le Président et sa famille ont pu sortir et il paraît que un « olona tsara sitrapo » dans le voisinage qui ont accepté de les ramener à Antsirabe…(quelques jours après, le Président a tenu une réunion avec le personnel de la société TIKO à Antsirabe).

Les cadavres des militaires ont été ramassés dans un camion et ensevelis quelque part à Ivato… ( ?) et le palais nettoyé. Les familles des militaires tombés lors de cette tragique journée sont tenues dans l’ignorance et on leur fait croire que leurs proches militaires sont consignés dans leur camp.

Et à l’heure où j’écris, un personnel de Tiko m’a appelé pour me dire que tout à l’heure à 12H30 (ce 3 avril 2009), 2 personnes de la HAT sont venus à Andranomanelatra Antsirabe et on annoncé que CAPSAT va fermer définitivement TIKO le lundi 6 avril 2009.

Talata 31 Marsta 2009
Tena tsy aiko aloha izay fahitanareo ny zavatra miseho amin’izao fa raha izaho dia tena kivy mihitsy. Tena tsy rariny intsony e.

Sahy tokoa ity rangahy iray ity. Na dia fantany aza fa mety ho faty izy dia tsy nihemotra mihitsy izy nanoloana ny tora-bato sy ny daroka izay mety hahazo azy fa dia nampiakariny ambony ny sainan'ny fireneny ary dia notohizany ny lalany.
Izany ka lehilahy. Tsy nihemotra izy rehefa teny an-tanany ny saina ny fireneny.
Ny any fanontaniako, rehefa avy nodarohin’ireo miaramila ity rangah ity dia mba noentiny taiza.
Satria, ho an’ireo izay tsy nahita, fotoana fohy taoriana ny nahazoan’ io sary io dia nosamborin’ny miaramila io olona io, natsipiny tao anaty fiara ary dia noentiny.

Talata 17 Martsa 2009

Tokony ho tamin’ny 2ora antoandro, raha nihaino ny fampielezam-peo isan-karazany dia re fa namindra fahefana tamin’ireo miaramila manam-boninahitra avo indrindra teto Madagasikara ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc.
Tamin’ny 4 ora tolakandro kosa dia voamafy fa tena namindra ny fahefana izy ary nambarany fa ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta kosa dia mbola hanohy ny asany mandra-pisy ny Governemanta vaovao.
Nanao fanambarana tao Antanimena araka izany ireo jeneraly 3 manam-boninahitra sy ny filohan’ny FJKM ka vantany vao vita ny fanambarana dia tonga dia nosamborin’ny CAPSAT izy 4 mirahalahy ka nentiny tany amin’ny toby.
Araka ny vaovao fantatra moa dia noteren’izy ireo hamindra ny fahefana azony amin’ny Tetezamita ireo ka tsy namelany raha tsy azony izany.
Na ilay mpitandrina aza moa dia nokasihin-tanana sy nampanaovana zavatra tsy manaja ny zon’ny maha olona.

Alarobia 11 Martsa 2009

Betsaka ny fiovana nateraky ny anio.
Tamin’ny antoandro teo dia namindra fahefana tamin’ireo olona nanangana ny CEMGAM vaovao ny tao amin’ny ETAT MAJOR Andohalo.
Manomboka eto dia tokana ihany izany ny foloalin-dahy ary niova ny mpitarika azy.

Nanao fanambarana indray ireo mpitarika an’i Andry TGV sy ireo mpanohitra fa tsy hanatrika an’ilay Assise nationale hatao manomboka rahampitso 12-14 Martsa eny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola.
Fihaonan’ireo ray aman-dreny rehetra eto Madagasikara moa izy ity ka hanasana azy ireo tsy ankanavaka.
Raha tokony ho 130 ny ho tonga dia 90 sisa no fantatra fa ho avy.
Ny FFKM sy ireo ao amin’ny firenena mikambana moa no manomana ity

Nanambara moa ny comite internationale fa io assise io ihany no ahafahana mandamina ao anatin’ny filaminana ny sotasota misy eto ary raha sanatria misy ny fanonganam-panjakana sy ny fanaovana directoire militaire dia tsy hanana ny maha izy azy intsony Madagasikara ary tsy ho voaaray sahala amin’izao intsony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Tamin’ny maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sasany teo dia nisy fihantsiana nataon’ireo mpianatra avy ao amin’ny LTC teo alohan’ny vavahadin’ny LMA. Noteren’ireto hivoaka moa ireto mpianatra avy ao amin’ny LMA fa tsy hianatra ka tivoaka tokoa izy ireo saingy niaraka tamin’ny hazo. Nifanenjika teo izy ireo ka naharitra adiny 2 teo ny fifanandrinana.

Tamin’ny 3 ora tolakandro teo ho eo kosa dia nisy indray ny fandrombana vitan’ireo mpanao ratsy. Ny iray moa dia tany amin’ny tranon’ny ramatoa filoham-pokontanin’ny Nanisana ary voalaza teo amin’ny 200 teo ny mpandromba tany amin’ny 4 ora tany ho any.
Ny iray kosa dia tany amin’ny tranon’Andriamatoa Mamy Ramakavelo izay solom-bavambahoaka. Nahasamborana jiolahy 20 tamin’ity farany ary marihina tsara fa ny mponina teny an-toerana ihany no namono ireo.

Izay indray ary aloha ny anio, ny tatitra moa dia tsy mitsahatra mandrakariva.

Talata 10 Martsa 2009

Anio dia nisy hatrany ny fivorian’ireo olona manohana ny ara-dalana saingy tsy nizotra araka ny tokony ho izy.Raha handeha hanao sitting etsy amin’ny ambassade de France etsy Ambatomena iny moa izy ireo dia nanomboka ny fanakorontanana nataon’ireo tsy mankasitraka ny hetsika ataon’izy ireo.
Rehefa niakatra tetsy Amapsamadinika anefa ireto olona miaro ny ara-dalana dia nisy ny tora-bato izay nataon’ireo TGV ka nahatonga ratra maro.Marihina fa niaraka tamin’ny hazo sy vato izy ireo no nanenjika ny ankilany izay tsy nitondra na inona na inona.

Tamin’ny 12.30 teo kosa dia nametra-pialana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena.
Araka ny vaovao azo moa dia efa mandra-maraina ity minisitra ity no norahonana, notazomina an-keriny tao Ampahibe ka noteren’ireo Sous-officiers hametra-pialana.

Nanao fanambarana kosa ireo miaramila nisitaka fa izy ireo no CEMGAM ankehitriny.

Ny ao amin’ny Etat major General etsy Andohalo kosa dia nanome 72 ora ho an’ireo ankolafin-kevitra ara-politika rehetra alohan’ny hangalan’ny fanapahan-kevitra momba izay hatao ampilamina ny tany.

Nanao fanambarana ihany koa ny tao amin’ny Masoivohon’ny Amerikana fa tena malahelo tokoa amin’izao zava-mitranga izao ary nanambara ihany koa izy ireo fa ny fiarovan’ny frantsay an’i Andry Rajoelina dia tsy midika velively ho fanohanana.

Ny tao amin’ny firenena mikambana koa dia nanao fanambarana fa tsy midika fanohana an’i Andry Rajoelina velively akory no antony nandefasany iraka taty fa hanelanelana ny fihaonana tokony nataony.
Ary raha mampiantrano an’i Andry Rajoelina ny frantsay dia tsy milaza izany fa miaraka aminy izy.

Tokony ho tamin’ny 2 ora teo dia nisy ireo olona nandromba ny tranon’ny filohan’ny delegasiona manokana, Andriamatoa Guy Rivo, tetsy Ampasampito Nanisana. Fantatra moa fa may sy kila tanteraka izany trano izany ary anisan’izany ihany koa ireo fiara telo teo an-tokontaniny.

Nanao fanambarana ihany koa ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana fa mandalo amin’ny kihon-dalana iray Madagasikara ankehitriny. Mifototra amin’ny tena demokrasia moa ny nolazainy fa hizoran’i Madagasikara ary niala tsiny ihany koa izy tamin’ireo mety ho hadisoana vitany satria olombelona ihany moa ny tenany araka ny nambarany.

Alatsinainy 09 Martsa 2009

Nanao fanambarana ny miaramila sasany tao amin’ny Capsat etsy Soanierana fa mitsahatra tsy handray baiko avy amin’ireo mpitarika azy intsony izy ireo fa kosa dia hiaraka amin’ireo vahoaka ka hanao ny asany tsy hisy fironana ara-politika omaly.
Anio kosa anefa dia nanao fanambarana izy ireo fa hanaraka ny tolona tarihin’i Andry Rajoelina ary tsy manaiky ny fandrombana ( anisan’ny zava-niseho androany teny amin’ny SMART Antanjombato)
Mbola nisy koa anefa ny fivoriana tetsy amin’ny 13 May ka nolazaina teny fa andeha haka ministera izy ireo rahampitso.
Fivoriana izay nataon’izy ireo tsy natrehan’i Andry Rajoelina moa izany. Nolazaian teny ihany koa fa tsy eken’izy ireo ny andraisantsika ny fivoriana faran-tampon’ny fiombonana Afrikana ary ny toerana misy ny SADEC.

Mbola androany ihany, nanomboka nihetsika ireo vahoaka miaro ny ara-dalana ka niainga teo Mahamasina izy ireo nanao diabe nanala ireo sakana rehetra napetraky ny olona tety sy teroa raha atambatra dia mahatratra 9 ireo sakana voahalalany: mahatsapa ho voageja izy ireo ka nihetsika amin’izay. Mbola hitohy foana moa ity hetsika ity mandra-pilamin’ny tany hoy ihany izy reo.
Mahatsapa ihany koa izy ireo fa fanapotehina an’Antananarivo no katsahin’ny olona ary ny tsy hampandroso an’i Madagasikaran noho izany, nandray fepetra izy ireo.

Nanambara ny FFKM fa efa niresaka tamin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana ka hatomboka main’ny fisokafana amin’ny firesahana amin’ireo ankolafin-kery rehetra ny fampandriana ny tany.
Nanambara ihany koa izy ireo fa efa napetraka amin’ny toerana efa tsara ambina Andriamatoa Andry Rajoelina ary efa niteny raha teo koa moa ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy hisambotra azy sy ireo mpanara-dia azy.

Zoma 06 Martsa 2009
Anio indray izaho vao manoratra satria nandinika ireo zava-nisy teto ary hanambara aminareo ny zava-marina.
Efa samy nahalala isika fa nisy ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika Marc Ravalomanana sy Andriamatoa Andry Rajoelina. Fihaonana izay noelanelanin’ny FFKM sy ny firenena mikambana.
Tamin’ny 25 Febroary dia tapaka ny fihaonana ary niala tsy ho isan’ireo mpanelanelana MSG Odon Razanakolona. Ny ampitso nefa dia niverina ho isan’izany izy saingy nametraka fepetra ary ireo delegasiona misolon-tena ny roa tonta ia no nihaona. Nanomboka ny 26 Febroary dia nisy indray ny fivoriana teo amin’ny kianjan’ny 13 May. Nanomboka nandray fepetra hentitra anefa ny fanjakana. Ny alarobia 04 Martsa dia tsy navelan’ireo mpitandro filaminana hiditra ao amin’ny kianja intsony ny olona ary izay mitady hanao izany an-keriny dia notoherina avokoa. Nisy araka izany ny fitifirana (balle blanche), ny fandefasana bombe lacrymogene. Ny naratra no betsaka ary vitsy ireo namohy ny ainy.
Tsara ny manamarika entoana fa ireo mpitandro ny filaminana dia tsy nitsahatra niaro ireo vahoaka nandritra ireo fotoana ireo satria nisy ireo andian’olona sady manohitra ny miaramila no mandromba. Navondrona ireo olona izay mitovy lalana ary nohodidinina miaramila ka naterina izy ireo ho lavitry ny mpanao ratsy. Saika voasakana avokoa ireo lalana mihazo any Analakely nandritra ity fotoana ity.
Nohon’ny tsy fahafaliana sy fahafaham-po dia nanapatra ny hatezerany tamin’ny vahoaka ireto olona ireto ka tao ny fianarana no nakorontany (nisy mihitsy moa ankizy naratra) izay tsy maintsy nampiasain’ny miaramila ny fitaovana mahery vaika anaparitahana ireto olona ho fiarovana ny mpianatra, tao no nandoro ny tranon’olona (toy ny teny Isotry ny 05 Martsa 2009), tao koa ny olona izay nisandoka ka nikatsaka ny hiditra ao amin”ny Etat Major (05 Martsa) tsy tontosa anefa izany. Tena nasiaka dia nasiaka tokoa ireo mpitandro filaminana noho izany.

Anio indray kosa dia teny Ambatobe no natao ny famoriana izay matetika eny amin’ny 13 may. Araka izany dia tena nilamina tsara ny tety an-drenivohitra.
Nanao fanambarana ihany koa Msg Odon Razanakolona anio ary nilaza izy fa tsy manaiky izao herisetra misy izao izy, ary ny fanakatsakanana ireo mpanao gazety sasany.
Ny zavatra tsikaritra ihany koa amin’izao dia ny fisian’ny televiziona vaovao izay hita amina UHF 6 eo.
Dia izay indray ary aloha ny vaovao nalaza tato ato ka amain’ny manaraka indray e!!

Sabotsy 14 febroary 2009
Anio indray dia fomba maro no nankalazana ny andron’ny mpifankatia: tao ireo nanokana fotoana ho an’ny malalany, tao ireo teny amin’ny 13 Mai ary betsaka koa ireo tonga teny Mahamasina.
Raha ny teny amin’ny 13 Mai no resahina dia nanodidina ny 7500 teo ny olona tonga nanatrika ka anisan’izanyioreo mpivarotra isan-karazany izay namonjy ny hanoanana sy ny hetahetan’ireo tonga teny. Teny Analakely moa dia saika nisokatra avokoa ireo mpivarotra.
Nambara teny ihany koa ny fanendrena Minisitra 2 ary fantatra moa fa andeha ho eny amin’ny Ministera izy ireo ny Alatsinainy.
Raha momban’ ny fanendrena am – pomba ofisialy ny tompon’andraikitry ny tananan’Antananarivo moa dia nanambara ny Maire notendren’ny fitondrana tetezamita, Ramatoa Ratsivalaka, fa tsy ekeny izao valin’ny fangatahana nataony izao.
Fangatahana napetrany ny herinandro teo moa ny mba hilazana marina ny tompon-toerana. Nivaly omaly 13-02-09 izany fa Andriamatoa Guy Rivo , filohan’ny delegasiona manokana no hitantana ny tananan’Antananarivo Renivohitra.

Raha ny zava-niseho teny Mahamasina indray no tanterina dia olona tsy olona no teny, tonga hanontrona ny filoha am-perinasa. Feno hipoka ny gradin, ny tribune laterale sy ny
centrale ary mbola nahitana olona be dia be ihany koa teny amin’ny terrain sy ny afovoany iny. Ankoatran’ny fanentanana isan-karazany dia nandrenesana ny lahateny amin’ny maha Ray aman-dreny izany nataon’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana ihany koa teny.
Faly avokoa ireo olona.
Nisy ihany anefa ny sampona satria ankoatran’ireo tsaho maro isan-karazany momba ny fanaramàna ny olona tonga teny dia fantatra fa nisy ny fikasana ny hamono an-dRavalomanana ary ny filohan’ny tsena an’Anosibe no nikasa hamita ny iraka: tratra teny aminy tao anty sakaosy ireo fitaovam-pihadiana saika anaovany nya sa ratsiny ary nahitana grenady moa tao anatin’izany. Efa nosamborina moa ny lehilahy.

Aleo tokoa ary isika mpamaky no haminaviana ny hoe firy ny olona teny Mahamasina anio ary firy ny teny amin’ny 13 Mai. tsara ho fantatra fa ny gradin, tribune laterale sy centrale feno no manome ny isa 40000 nefa nihoatra an’izany ny olona teny.

Dia izay indray ary aloha ny masaka azo natolotra anio.

Alakamisy 12 Febroary 2009
Ny zavatra nitranga teny Mahamasina omaly moa izany dia tsy hita hotantaraina intsony. Ny ‘ndeha hamintinako azy dia ny hoe mbola misy
ihany kay ny olona mankatoa ny Fitondran’Andriamatoa Marc Ravalomanana.
Maro ny resaka nivoatra taorinan’iny hetsika iray iny ary mbola hanao tatitra momba izany ihany isika tsy ho ela.
Ity kosa misy zavatra hafa indray, tsy aiko aloha ny fahamarinany fa anjaran’ny tsirairay no mandinika.
Ny zavatra farany tena mba nampihomehy ny tenako ry reto dia ny nahitana zatovolahy 6 na dimy teo nitondra elo niloko volom-boasary teny Mahamasina omaly. Ary inona hoy ianareo no nataony?
Rehefa nandeha ny fivavahana dia nisioka ny iray tamin’izy ireo ary nilaza fa hoe efa henony izay fa ela loatra.
Ny olona nanodidina moa dia nangina ka nanindry fo fotsiny tamin’ilay fihetsika.
(Hivoaka tsy ho ela ny sary.)

Sabotsy 07 Febroary 2009

Nambara androany teny amin’ny kianjan’ny 13 May ny hitarika ny governemanta fa Andriamatoa Monja Rohindefo. Amin’izao ora hanoratako izao dia lasa niakatra eny amin’ny lapan’Ambohitsirohitra moa ny ben’ny tanana teo aloha sy ny mpomba azy. (Milaza ny andeha haka ny lapa moa izy ireo)
Ny Jeneraly Dollin moa no mitarika ny delegasiona ahitana ny solom-bavam-bahoaka sy senatera manohana ny ben’ny tanana teo aloha.

14:15 Tonga eny Antaninarenina ny olona.
Nasaina nipetraka amin’ny tany moa ireo olona tonga teny Antaninarenina manoloana ny vavahadin’Ambohitsirohitra.
Nanambara ny miaramila mpiambina fa tsy misy mahazo miditra ao amin’ny lapa ny olona.

14:25 Mifampiraharaha amin’ny mpiambina, miaramila eo am-baravaran’ny lapa ny Delegasiona.

14:35 Tafiditra ao amin’ny lapa ny Praiminisitra sy ny delegasiona.

14:40 Raha jerena moa dia hita fa isaky ny varavaran-kelin’ny lapan’Ambohitsirohitra dia ahitana miaramila mihazona fitaovam-pihadiana.

14:50 Nisy ny fampiasan-kery nataon’ny mpitandro filaminana satria mitady hirohotra ho any anaty lapa ny olona. Fantatra moa fa anisan’ny voatifitra tamin’io ny mpanao gazety iray (mpaka sarin’ny RTA).

14:55 Niantso ny miaramila EMMONAT moa Andriamatoa Rolly Mersia izay manara-dia miaraka amin’ny tolona.

15:00 Betsaka tokoa ireo naratra sy maty noho ireo tifitra ataon’ny miaramila ary ny anton’izao fifampitifirana izao moa dia ny tsy fanajan’ny olona ny fepetra ka mitady hiditra an-keriny ao amin’ny lapa ireo olona satria tsy navela hiditra ny delegasiona.

15:03 Tezitra ny olona ka nodorany ny fiaran’ny polisy teo akaiky teo

15:15 Niantso an-tarobihy Andry Rajoelina tao amin’ny onjam-peony. Fanontaniana ihany moa ny ahy: ‘Efa nomeny tso-drano avokoa izany ireo olona ireo na namohy ny ainy na naratra na tsy naninona tsy naninona??’

15:17 Tsy ny fifampitifirana ihany no nahafaty ny olona fa ny fifanosehana misy eo anivon’ny olona.

16:50 Hatreto dia fantatra fa 200 no isan’ireo maratra eny amin’ny HJRA ary 15 kosa no namohy ny ainy.

17:00 Nanao fanambarana tamin’ny onjam-peo Antsiva Andriamatoa Benjamin Andriamparany Radavidson: minisitry ny ‘finance’ teo aloha ny mba hanalan’ny ‘Antenimieram-pirenena’ an’i Andriamatoa Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena.

Iza tokoa amin’izao no tena tokony hatsahatra? Ilay nitondra olona maro ka tsy nahavita nifehy azy ireo sa ilay nanatontosa ny adidiny ka raha efa nampitandrina izy, tsy nisy nanaraka ny teniny?

17:30 sary maro no efa nandalo teo amin’ny fahitalavitra fa tsy hita taratra teny mihitsy ny fahatongavan’ny Andry Rajoelina.

Talata 3 Febroary 2009
Vaovao farany

Hitety ny faritany Andry Rajoelina rahampitso ka mbola tsy fantatra ny fnadehan’ny etsy amin’y 13 mai.
Hoy izy hoe tsara araka izany raha miheno ny Viva ianareo mpanara-dia ahy fa holazaina miandalana eo ihany ny ho fizotrin’ny raharaha.
Ankoatra izay dia manasa ny rehetra izy mba ho avy eo amin’ny 13 mai indray amin’ny Sabotsy ho avy izao. Nambarany teo ihany koa fa manomboka hiara-hiasa amin’i Rossy ny tenany manomboka amin’izao eo amin’ny lafiny fanentanana.

Raha ny resaka mandeha indray dia ny fahalotoan’ny tananan’Antananarivo sy ny tsy fahavitan’i Andry Rajoelina ny andraikitra maha “Maire” azy no hita misongadina eny. Nisy tokoa ny fanendrena PDS (president de la delegation speciale): Andriamatoa Randrianarisoa Guy Rivo.Didy navoakan’ny Ministeran’ny atitany moa no nahafahana nametraka an’io PDS io tetsy amin’ny biraon’ny kaominina anio tamin’ny 2ora sasany.

Raha ny lahateny nataon’i Andry teny amin’ny 13 Mai indray no hasiana teny dia nolazainy fa tena ilainy tokoa ny manendry PDS amin’izao fotoana izay ary izy mihitsy no ‘ndeha hanendry izany tsy ho ela.

Nasiany resaka ihany koa ny momban’ny sefo eny anivon’ny fokontany. Nambarany fa hosoliny avokoa ireo sefon’ny fokontany manerana an’Antananarivo ireo. Ary izany dia ho atao alohan’ny faran’ity herinandro ity.

Farany, nambarany fa ny Sabotsy izao no hananganana ireo mpikambana ao amin’ny parilemanta izay tarihiny ny tenany sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta tetezamita.
Marihina etoana moa fa mbola manamafy ihany Andriamatoa Andry Rajoelina fa izy no Filoha (President hoy ny mpanentana).

Nanao fanambarana ny Ben’ny Tanana anio fa hisy ny seeting atao eny Mahamasina rahampitso izay hanasana ny olona eto an-drenivohitra.
………………………………………………………………….

Alatsinainy 02 Febroary 2009
Nizotra ara-dalana tokoa ny fiainan’ny olona tamin’ity anio ity amin’ny ankapobeany. Toy ny isan’alatsinainy rehetra ihany ka ny mpianatra mamonjy ny sekoly fianarany, ny mpiasa ny toeram-piasany. Na dia nisy ihany aza ireo izay nivory teo amin’ny kianjan’ny 13 May dia efa vitsy izy ireo.
Raha ny zavatra niseho teo no tanterina dia toy izao:
- nandray fitenenana aloha ny olona maro isan-karazany ary anisan’izany ny Jirama (raha nisaina ny mpiasa tonga teny dia teo amin’ny 7 teo raha betsaka)
-avy eo dia tonga ny ben’ny tanana izay efa antsoin’ny “sasany” hoe filoha Andry.

Tokony ho tamin’ny 12 ora sasany teo dia nandray fitenenana izy: Anisan’ny votoatin-dresaka tao ny hoe hanao ny fanalana ny filoham-pirenena amin’ny ara-dalana ny antoko TGV ary hitondra izany eo am-pelatanan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny tenany.
Voalazany tao ihany koa fa efa mandrafitra ny governemanta tetezamita izy izao ary efa manomana ihany koa ny fanaovana izany ho ofisialy.
Nambarany fa efa maro ireo maniry ny ahita azy any amin’ny faritra ka afaka andro vitsy dia ho avy any ny tenany.
Nolazain’ireo mpikambana ao amin’ny komite iraisam-pirenena moa ny ben’ny tanana fa manao zavatra tsy ara-dalana nefa araky ny filazany (Andry Rajoelina) dia tsy mampaninona azy izany fa ny filoham-pirenena aza hoy izy tsy manaraka.
-nanome fotoana ho amin’ny ampitso indray izy hilazany ny vaovao mbola eny amin’ny kianjan’ny 13 May ihany.

Etsy andaniny kosa dia fantatra fa nanao fanambarana ny Firaisam-be Afrikanina fa ny governemanta tarihin’i Andriamatoa Marc Ravalomanana ihany no eken’izy ireo ary amin’ny alalan’ny Democrasia ihany no ahafahana manova azy, izany hoe amin’ny alalan’ny fifidianana hoy ny filazany.

Raha fintinina dia aleo ny olona manohy ny asany andavanandro toy izay andany fotoana sy ora eny an-dalambe. Fa ny tena mahatsikaiky indrindra dia ny hoe: tamin’ny voalohan’ny volana Janoary dia ny fanokafana ny televiziona VIVA no nangatahin’i Andry Rajoelina ary tety amin’ny faran’ny volana kosa dia niafara tamin’ny fangatahana ny fialan’ny filoham-pirenena. Hafahafa ihany!!

………………………………………………………………………………………….

Mpitarika, Maire sa President ? Inona marina e!?

Asabotsy, 31 janoary 2009
Araka ny fanambarana nataon’ny ben’ny tananan’Antananarivo, Andry
Rajoelina ( 34 taona ), tamin’ny alarobia lasa teo dia hanao fanambarana izy androany. Efa samy nieritreritra izay mety ho ambarany moa ny tsirairay ka niandry fotsiny sisa.
Nambarany teo amin’ny kianjan’ny 13 May fa tsy mety tokoa ny zava-misy eto Madagasikara ary ny filoham-pirenena sy ireo mpikambana eo amin’ny governemanta dia nolazainy ho tsy mandray ny andraikiny araka ny tokony ho izy.
Nampiany tamin’ny famakiana ny lalam-panorenana izay voalazany rehetra izay.
Lalam-panorenana izay ambarany fa tsy narahina sy tsy voahajan’ny filoham-pirenena ary nofaranany tamin’ny hoe tsy filoham-pirenena intsony araka izany Andriamatoa Marc Ravalomanana.
Manoloana izany dia nanambara ny tenany fa izy no hitarika ny governemanta vaovao izay hapetraka tsy ho ela ho tetezamita ka:
- nandidy ny banky foibe rehetra izy ny mba tsy hisian’ny vola mihodina intsony
- nandidy ny Ministera ihany koa izy ny tsy hiasan’izy ireo ny
alatsinainy ho avy izao mandra-pametrahan’ny Minisitra vaovao.
-nandidy ny miaramila izy ho eo ambaniny ary tsy hisaraka aminy.

Ny tolakandro teo dia fantatra fa nisy ny filan-kevitry ny minisitra izay natao tao amin’ny lapan’Iavoloha. Nahitana an’ireo mpikambana tao amin’ny Governemanta sy ny Filoham-pirenena Mazava ho azy ity fivoriana ity.
Anisan’ny ventin-dresaka tao ny amin’ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary ny fomba hamahana ny krizy.
Tao aorian’izay dia nisy moa ny tafatafa kely nataon’ny Filoha sy ny mpanao gazety teny an-toerana.
Nanambarany teo fa efa milamina ihany raha ny eto amin’ny nosy no resahina fa ny olana kely hoy izy dia ny tsy fahampian’ny entana ilaina amin’ny andavanandro indrindra any Toamasina. Manoloana izany anefa dia efa mandray fepetra sy ny adidiny ny fanjakana miaraka amin’ny komity iraisam-pirenena.
-Nanambara ihany koa izy tamin’izany fihaonana izany fa miasa avokoa ny mpiasa ny alatsinainy ary mbola mijanona ho filoham-pirenena hatrany ny tenany.
-Nolazainy fa halefany hisolon’ny tenany any amin’ny fihaonam-be Afrikanina any Adis Abeba ny Praiminisitra.
-Ny amin’ny raharaha Andry Rajoelina hoy izy dia apetraka feno eo am-pelatanan’ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana na ny HCC sy ny ministeran’ny fitsarana ary tsy maintsy ampiharina ny lalana amin’izany.
-Namaranany ny teniny dia ny fanomezan-toky ny vahoaka fa manohy hatrany ny fampandrian-tany izy.

Ny hariva teo dia nanao fanambarana tamin’ny haino aman-jery ihany koa
ny Filoha ho fanomezan-toky ny vahoaka Malagasy fa tena izy no
filoham-pirenena eto Madagasikara ary mandray ny andraikiny tsara izy
amin’ny fampandriana ny tany. Andraikitra izay efa noekeny ho raisina
rahateo moa, teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka Malagasy ny
volana Janoary 2007.

Izay izany no fandehan’ny raharaham-pirenentsika tamin’ity andro ity.a.

4 Responses to Malagasy

  1. pakysse says:

    Ny fahitako azy lesy dia samy mangetaheta seza daholo ireo ary samy mifamingana eo daholo ary ny tena misenina dia miseho mahy rà daholo, kozy raha tsy mampiomehy be .

  2. tanindrazana says:

    “samy mangetaheta seza daholo”
    Marina mihitsy izany. Fa tokony hifanaja ne nadia izany aza e. Misy ny fotoana amin’ny zavatra rehetra. Ny fifidianana manarakaa zao efa tsy hoela dia hoavy. Raha ny vola nampiasana atrin’izao lo raha ny marina no zohina dia ataoko fa ampy tsara mihitsy raha natokana hoe hanaovana Propagandy. Zany hoe, ny fomba atongavana any Roma moa maro fa ny tsirairay mahalala sy misafidy izay itany fa mety aminy.

  3. Hey, cool tips. Perhaps I’ll buy a glass of beer to the man from that chat who told me to visit your blog :)

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

Gravatar
WordPress.com Logo

Please log in to WordPress.com to post a comment to your blog.

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Connecting to %s

Follow

Get every new post delivered to your Inbox.